Aller au contenu

Hira (maky)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Lemur catta)
Hira

Ny hira dia karazana amboanala na maky, manan-drambo lava miloko manity sy fotsy mifandimbindimby manaraka ny lavany. Izy no fantatra indrindra amin' ny karazana maky ka matetika atsoina fotsiny amin' ny anarana hoe "maky". Toy ny karazana amboanala rehetra dia tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny hira ary miaina ao anaty alan-tsilo sy ny ala maina any amin' ny tapany atsimon' ny Nosy.

Mihinana ny zavatra rehetra ny hira sady mety tsy matory alina raha misy zavatra ataony. Afaka mifindrafindra eny ambony hazo sy eny amin' ny tany izy, ary izy no amboanala mpandeha an-tany indrindra. Miana anaty andiany izy ary mety mahatratra telopolo ny isan' ny ao andiany iray izay tarihin' ny vaviny iray.

Na dia mora zatra aza ny hira raha ompiana sady hita any amin' ny toeram-pijerem-biby maro eran' izao tontolo izao, ny hira dia karazam-biby tena tadindomin-doza ny fahavelomany any an' ala ary anisan' ny primata 25 atahorana ho lany tamingana indrindra eran-tany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]