Lefona

Avy amin'i Wikipedia
Lefona iray sy lefom-pohy maro

Ny lefona dia fitaovam-piadiana fanipy misy lelany fisaka maranitra sy matsilo vita amin' ny metaly (vy indrindra) sy misy tahony vita amin' ny hazo (na amin' ny metaly indraindray).

Ohabolana[hanova | hanova ny fango]

  • Anio milelaka ny lefona, ka no rahampitso dia hiohatra ny mandà.
  • Antsibe tsara ofana ireo, adidy tsy mba mahadilo; lefona tsara varombo, atomboka tsy mba milefitra; tangen-tsara hafatra, tsy mba mena-maso mitsara.
  • Aza ny toho mihahy no jerena, fa ny lefona mitsangana.
  • Izoky izy fa lehilahy: nandray lefona dia lasa, sakafony sikina ihany.