Kroazadan' ny mpanan-karena

Avy amin'i Wikipedia
Ady tao Beit Hanun

Ny Kroazadan' ny mpanan-karena, antsoina koa hoe Kroazadan' ny taona 1239, dia diabe fanafihana nokarakarain' ny andriana frantsay taorian' ny fangatahan' ny papa Gregôrio IX mba hiaro an' i Jerosalema. Tsara omana ara-miaramila ity kroazada ity nefa tsy voaomana ara-diplômasia ary notarihin' ny kômta Champagne izay tsy ampy fiheverana ara-pôlitika, ka tsy nitondra vokatra ho an' ny mpanao kroazada izany. Noho ny antony tsy tena fantatra dia tsy heverina ho kroazada tanteraka izany. Nahitana tafika matanjaka izy nefa tombantombana ny tarehimarika sady matetika tsy mitovy.