Eucalyptus


Ny Eucalyptus dia antokon-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Myrtaceae. Hazo ny karazana ao aminy izay teratany any Aostralia, miisa mihoata ny 800 tamin' ny taona 2000. Amin' ny teny malagasy izy ireo dia atao amin' ny ankapobeny hoe kininina, nefa antsoina amin' io anarana io koa ny karazana ao amin' ny antokon-javamaniry Corymbia izay nesorina avy ao tamin' ny taona 1995. Izy no mamorona ny ampahany be (95 %) amin' ny ala any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Aostralia. Hazo malaky mitombo ny kininina sady afaka maniry amin' ny karazan-tany maro. Manopy fotsy sy malama ary tsy tantera-pahazavana loatra ny ravin' ny kininina. Mamoaka fofo-manitra mampiavaka azy manokana ny hodiny. Amin' ny ankapobeny dia hazo avo sy lehibe ny kininina, ka misy ny mahatratra hatramin' ny 100 m.
Ny karazana sasany, indrindra fa ny Eucalyptus globulus, dia nampidirina tany Eorôpa, izay nanjary niorina tsara teo amin' ny morontsirak' i Mediteranea, ary koa tany Pôrtogaly, izay nambolena alan-kininina midadasika mba hamokarana feta fanamboarana taratasy. Nambolena tany Afrika Avaratra, indrindra fa tany Marôka, Alzeria, Tonizia ary Libia koa ireo karazana ireo. Hita aty Madagasikara, ao Mayotte, any Malta, ary ao La Réunion, any Srilanka, ao Afrika Atsimo, ao Kôtidivoara, ao Oganda (eo amin' ny tehezan' ny Tendrombohitra Elgon sy any amin' ny tapany atsimo-andrefan' io firenena io), any California, any Arzantina, any Brezila, any Sily, any Ekoadôra, ary any Pero.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Karazana maneran-tany
[hanova | hanova ny fango]Karazana kininina miisa 715 eo ho eo no eken' ny manam-pahaizana. Vitsy na safiotra amin' ireo ihany no nampidirina be dia be tany Eorôpa sy tany amin' ny faritra mafana sy mando hafa maneran-tany. Ireto ny karazana fantatra indrindra:
- Eucalyptus camaldulensis;
- Eucalyptus citriodora, izay nomena ny anarana hoe Corymbia citriodora tamin' ny taona 1995;
- Eucalyptus cordata;
- Eucalyptus dalrympleana;
- Eucalyptus deglupta;
- Eucalyptus delegatensis;
- Eucalyptus glaucescens;
- Eucalyptus globulus;
- Eucalyptus gundal: safiotry ny E. gunnii sy ny E. dalrympleana;
- Eucalyptus gunnii;
- Eucalyptus pauciflora;
- Eucalyptus radiata;
- Eucalyptus regnans;
- Eucalyptus sideroxylon;
- Eucalyptus smithii;
- Eucalyptus tasmaniensis.
Karazana maniry eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Nampidirina nanomboka tamin' ny taona 1857 ny karazana Eucalyptus (sy Corymbia) dia tsy teratany eto Madagasikara. Karazana maherin' ny 180 no nosedraina nandritra ny taonjato faha-19 sy faha-20. Amin' ireo karazana ireo dia manodidina ny roa ambin' ny folo no efa zatra tsara ary niparitaka nanerana ny faritra samihafa eto amin' ny Nosy:
- Eucalyptus amygdalina -- kininina
- Eucalyptus brassiana
- Eucalyptus camaldulensis (← Eucalyptus rostrata)
- Eucalyptus cloeziana
- Eucalyptus deglupta
- Eucalyptus eugenioides
- Eucalyptus globulus -- biligoma, bilogoma, kininina
- Eucalyptus grandis
- Eucalyptus macrorhyncha
- Eucalyptus microcorys
- Eucalyptus pilularis
- Eucalyptus robusta – kininina, kininina mena, kininina gisa
- Eucalyptus saligna -- kininina
- Eucalyptus tereticornis (havana akaikin' ny Eucalyptus camaldulensis)
- Eucalyptus torelliana
Karazana nafindra antoko:
Anisan' ny tao amin' ny Eucalyptus teo aloha maniry eto Madagasikara nefa nafindra ao amin' ny antokon-javamaniry Corymbia ireto karazana manaraka ireto:
- Corymbia citriodora (← Eucalyptus citriodora) -- kininina-ôliva
- Corymbia gummifera (← Eucalyptus corymbosa)
- Corymbia maculata (← Eucalyptus maculata)