Katôlisismam-bahoaka

Avy amin'i Wikipedia
Ny alitara Vôdo ankalazana an' i Papa Guédé ao Boston, Massachusetts, ahitana fanatitra ho an' ireo fanahy Rada, ny fianakaviana Petwo ary ny Gede.

Ny Katôlisismam-bahoaka dia azo lazaina amin' ny ankapobeny ho fanehoana ara-poko sy fiainana ny katôlisisma mifangaro amina endriky ny fivavaham-bahoaka. Niovaova arakaraka ny toerana ny fanao ary mety hifanohitra amin' ny foto-pampianarana ôfisialy sy ny fomba fanao ao amin' ny Eglizy Katôlika sy ny kristianisma amin' ny ankapobeny.