Aller au contenu

Kanonta

Avy amin'i Wikipedia
Kanonta

Ny kanonta dia fitaovana fandonana mafy, misy lohany miendrika telozodrirana vita amin' ny metaly sy tahony matetika mirefy iray metatra izay itazomana azy amin' ny tanana roa. Lehibe sy mavesatra noho ny tantanana ny kanonta izay mazàna milanja mihoatra ny telo kilao. Tsy toy ny tantanana ny kanonta fa tazonina amin' ny tanana roa, ahodina any aoriana izy hakana bahana mba hahazoana ny hafainganam-pandeha ambony indrindra ilaina amin' ny fandonana.

Ampiasaina indrindra hamakiana vato ity fitaovana ity, indrindra mandritra ny asa fandravana ny zavatra naorina (trano, sns). Izy io koa dia ampiasaina amin' ny famakiana hazo amin' ny fikapohana anjam-by marani-doha eo amin' ilay hazo. Ampiasain' ny mpanefy koa izy io: mikapoka ny metaly mafanabe izay homena endrika ny mpanampy. Ny mpandrafitra koa dia mampiasa kanonta mba hanitsiana ny tapa-kazo ampiasaina amin' ny zavatra arafitra. Ampiasaina koa ny kanonta amin' ny fandentehana andry hazo amin' ny tany. Mampiasa kanonta koa ny mpiasa amin' ny arabe sy lalamby sy ny mpamaky vato amin' ny teram-pitrandrahana vato.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]