Jodocus Trutfetter

Avy amin'i Wikipedia

I Jodocus Trutfetter dia filôzôfa sy teôlôjiana tao amin' ny Oniversiten' i Erfurt, tamin' ny faramparan' ny taonjato fahadimy ambin' ny folo sy fiandohan' ny taonjato faha-16. Ny asa lehibe nataony dia ahitana boky fianarana momba ny lôjika, atao hoe ny Summule totius logice, ary ny iray hafa momba ny filôzôfia voajanahary, ny Summa in totam physicen. Indreto koa ny anarana iantsoana azy: Trutvetter, Jodocus von Eisenach, Jodocus Isenacensis, Justus Trautvetter, ary Doktor Eisenach. Teraka tamin' ny taona 1460 tao Eisenach ary maty tamin' ny 9 May 1519 i Jodocus Trutfetter

Amin' ny maha mpanohana ny via moderna azy dia nanantitrantitra izy fa ilaina ny mandinika ireo manampahefana taloha sy môderina. Mikasika ny lohahevitra momba ny atai hoe universal, ny kategôria ary ny psikôlôjia, dia nifanakaiky tamin' ny an' i Jean Buridan ny fomba fijeriny. Momba ny fifandraisan' ny teôlôjia sy ny filôzôfia dia nanana toerana mitovy amin' i William of Ockham izy.