Jean Bosco
Apparence
I Jean Bosco izay fantatra amin' ny anarana Don Bosco tamin' izy natao ho pretra, dia pretra italiana sy mpanabe ary mpanoratra niaina tamin' ny taonjato faha-19. Teraka tamin' ny 16 Aogositra 1815 tany Castelnuovo d'Asti izy[1] ary maty tamin' ny 31 Janoary 1888[2]. Amin' ny teny italiana ny anarany dia Giovanni Bosco, fa amin' ny teny latina koa dia Ioannes Bosco. Nambaran' ny papa Pie XI amin' ny fomba ôfisialy ho olomasina i Don bosco tamin' ny taona 1934.