Janosy (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Janosy

I Janosy dia andriamanitra rôman' ny fiandohana sy ny fiafarana, ny safidy, ny fandalovana ary ny varavarana. Izy io dia manana tava roa, ka ny iray mitodika mankany amin' ny lasa, ary ny iray mankany amin' ny hoavy. Ny volana natokana ho azy, ny Januarius ("Janoary"), dia manamarika ny fiandohan' ny faran' ny taona ao amin' ny tetiandro rômana. Ankalazaina amin' ny 1 Janoary izy.

Ao amin' ny Forum an' i Rôma no misy ny tempoliny. Araka ny fombafomba dia mivoha amin' ny fotoana misy ady io tempoly io ary mihidy amin' ny fotoanan' ny fandriam-pahalemana. Ny iray amin’ ny havoanan’ i Rôma, i Janiculum (teny latina) na Gianicolo (teny italiana), dia natokana ho azy. Andriamanitra laharana voalohany ao amin' ny ambaratonga ara-pivavahana rômana izy, hany tokana miaraka amin' i Jopitera sy i Marsa izay atao hoe "Andriamanitra Ray", Janospatera (Januspater).