Hankany amin'ny vontoatiny

Isaaka avy any Antiôkia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Isaka avy any Antiokia)

I Isaaka avy any Antiôkia na Isaaka Lehibe na Isaka avy any Antiôkia na Isaka Lehibe, dia Kristiana lazaina fa nanoratra toriteny maro miendrika tononkalo (memré) sy hira fiderana (madrashé) vitsivitsy amin' ny teny siriaka tamin' ny ampahany farany amin' ny Andro Taloha, ka lahatsoratra miisa 191 izany araka ny fanisana feno indrindra izay tsy mahafaoka azy rehetra. Mampiseho karazana literatiora ara-pivavahana kristiana noforonin' i Efrema avy any Nisiby tamin' ny taonjato faha-4 izany.

Azo antoka anefa ny anaran' ny mpanoratra fa manondro mpanoratra roa na telo samihafa tsy fantatra mazava ka azo lazaina fa pseodepigrafa ny sasany amin' ireo asasoratra ireo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]