Isaaka (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Isaaka dia foko ao amin' ny vondrom-poko Sômaly. Anisan' ny foko lehibe ao amin' ny Tandrok' i Afrika izy ireo ary midadasika sy be mponina ny faritra misy azy. Atao hoe Reer Sheekh Isxaaq izy ireo amin' ny teny sômaly, fa بني إسحاق / Banī Isḥāq kosa amin' ny teny arabo.

Araka ny filazan' izy ireo, ny mpanorina an' io foko io dia i Ishaaq bin Ahmed, manam-pahaizana arabo sy mozilmana, izay nandeha tany amin' ny faritra misy an' i Sômalilandy ankehitriny tamin' ny taonjato faha-12 na faha-13 ary naka vehivavy iray avy amin' ny foko Dira (Dir), vehivavy ao amin' ny zana-poko harary (Harari) sady zafikelin' i Aw Barkhadle (araka ny lovantsofina, manam-pahaizana mozilmana sy mpanao dia lavitra avy any Arabia).