Aller au contenu

Imamo

Avy amin'i Wikipedia

Imamo dia anaran'ny faritra andrefan' Imerina. I Rapeto no namorona ny fanjakan' Imamo tamin' ny taonjato faha-12, ary ao amin' ny faritry ny farihin' Itasy no renivohiny. Nanana fianjadiana lehibe ny fanjakan' Imamo nandritry ny zato taona (T.J-16 - T.J.-17) hatramin' ny fampiraisany amin' ny fanjakan' Imerina. Nahaleotena ihany Imamo na dia voazarazara fanjakana madinika aza, nahaleotena izy hatramin' ny fampiraisan' Imamo amin' Imerina tamin' ny taona nanjakan' Andrianampoinimerina tamin' ny taonjato faha-19.

Fihaviana

[hanova | hanova ny fango]

I Andriambahoanafovoanitany, zandrin-dRanavalontsimitoviaminandriana, reniben-dRanavalona I no namorona ny fanjakan' Imamo voalohany indrindra tamin'ny T.J.-17.

Ny nampisarahana mazava an' Imamo sy Imerina

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanjaka merina Andriamasinavalona dia nanao fifanarahana tamin' Andriambahoaka mpanjakan' Imamo hanasaraka mazava tsara an' Imamo sy Imerina. Nataon' ireo mpanjaka ireo izany mba hahamarin-toerana ny sisin-tany ka tsy hisian’ ny disadisa. Andriambahoaka zanany natao koa hoe Andriambahoakampovoanitany no mpanjakan’ Imamo nonina tao Amboniazy, Itasy. Izao ny lovantsofina mitantara izany:

Nifanaraka fa samy hiala maraina vao maneno akoho tokana izy roalahy, ka Andriamasinavalona avy aty Antananarivo, Andriambahoaka avy ao Amboniazy, ka izay toerana ifanenana no atao faritra izarana ny fanjakana. Nitana marina ny fifanekena Andriamasinavalona fa Andriambahoaka kosa tsy niandry ny akoho maneno amin’ ny maraina, fa vao tapi-mandry ny olona dia niainga tao Amboniazy izy fa te-hahazo tany be. Raha vao nahatazana an’ Andriamasinavalona Andriambahoaka teo akaikin' ny renirano nifanenana, dia nihoraka ny mpanaraka an’ Andriambahoaka: ”Lasantsika ! Lasantsika ny fanjakana lehibe sady lava horiranana fa kely foana ny an’ Imerina ! Mihobia ry Imamo ! ”. Teo amoron’ ny renirano kely eo andrefan’ Imerintsiatosika no nifanena; dia namono omby fotsy tokam-bolo natao orim-baton’ ny fifanekena sy sakafo be. Dia natao hoe Iombifotsy ny anaran’ilay renirano nifanenana, faritra fizarana an’ Imerina sy Imamo.