Ilôkanô (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy ilôkanô avy any Santa Catalina, any Ilocos Sur, tamin' ny taona 1900 any ho any.

Ny Ilôkanô na Ilôkô no vondrom-poko ara-piteny filipina fahatelo lehibe indrindra. Ao amin' ny Faritr' i Ilocos, any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Luzon, any Filipina, ny ankamaroan' izy ireo. Ny fiteny ilôkanô no fitenin-drazan' ny Ilokano. Atao hoe Tattao nga Iloko/Ilokano, izy ireo amin' ny fiteny ilôkanô.