Igôrôta (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vaviantitra igôrôta
Farafaran-tany fambolem-bary any amin' ny faritra misy ny Igôrôta

Ny Igôrôta dia vahoaka aostrôneziana maromaro ao Filipina any amin' ny Faritr' i Cordillera ao amin' ny nosy Luzon. Mipetraka amin' ny faritany enina ao amin' ilay faritra izy ireo: ao Abra, ao Apayao, ao Benguet, ao Ifugao, ao Kalinga ary ao Mountain Province, ary koa ao amin' ny tanànan' i Baguio. Atao hoe Vahoakan' i Cordillera na Kôrdilerana koa izy ireo. ahitana vondrom-poko ara-piteny sivy monina ao amin' ny tandavan-tendrombohitra Cordillera avokoa. Miisa 1,8 tapitrisa eo ho eo izy ireo tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.