Heinrich Bullinger

Avy amin'i Wikipedia
I Heinrich Bullinger, sary nataon' i Hans Asper, tamin' ny taona 1550 any ho any.

I Heinrich Bullinger dia refôrmatora sy teôlôjiana soisa, nandimby an' i Huldrych Zwingli amin' ny maha filohan' ny Fiangonan' i Zürich azy ary pasitera tao amin' ny Grossmünster. Iray amin' ireo mpitarika manan-danja indrindra tamin' ny Refôrmasiôna Soisa i Bullinger izay niara-nanoratra ny Kônfesiôna Helvetika ary niara-niasa tamin' i Jean Calvin tamin' ny famolavolana ny foto-pampianaran' ny Fiangonana Nohavaozina momba ny Fanasan' ny Tompo. Teraka tamin' ny 18 Jolay 1504 tao Bremgarten (ao amin' ny kantaon' i Aargau ankehitriny) izy ary maty tamin' ny 17 Septambra 1575 tao Zurich.