Ebera

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hebera)

I Ebera na Hebera dia olona resahina ao amin' ny Baiboly. Izy no razamben' ny Hebreo (Gen. 10.21) sy ny Ismaelita araka ny Bokin' ny Genesisy (Gen.10 -- 11) sy ny Boky voalohan' ny Tantara (1Tant. 1). Zanak' i Sela izay taranak' i Seta izy. I Pelega sy i Jôktana (na Iôktana) no zanany (Gen. 10.25).

Ny amin' ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Ebera na Hebera dia fanagasiana ny anarana hebreo hoe עֵבֶר‬ / ʻĒḇer na Ever. Amin' ny fiteny arabo izy dia atao hoe ʿĀbir. Ny teny hebreo hoe ivri, izay midika hoe "hebreo", dia avy amin' ny teny hoe ever na eber. Avy amin' io koa ny teny arabo hoe عبر / aber izay midika hoe "miampita". Ny fototeny aramena sy hebreo hoe עבר dia mifandray hevitra amin' ny hoe "fiampitana" na ny hoe "eny ampita"[1]. misy mihevitra fa mety ho anarana toerana ny hoe Ebera, faritra izay mety manakaiky an' i Asiria[2].

Ny fianakaviana sy ny taranany[hanova | hanova ny fango]

I Ebera dia zafiafin' i Sema zanak' i Nôa sady rain' i Pelega izay teraka rehefa feno 34 taona i Ebera (134 araka ny Septoaginta na Septanta), sy rain' i Jôktana (na Iôktana). Zanak' i Sela izay razamben' i Abrahama izy. Araka ny Tanakh, i Ebera dia maty tamin' ny faha-464 taonany (na 404 araka ny Septoaginta) (Gen. 11.14-17) rehefa feno 79 taona i Jakôba.

Ao amin' ny Septoaginta kosa, ny rain' i Ebera (grika: ῞Εβερ/ Eber) dia i Sala (grika: Σαλά / Salà). Atao hoe Falega (grika: Φαλέγ / Faleg) ny zanany izay teraka rehefa 134 taona i Ebera, ary nanana zanakalahy hafa sy zanakavavy izy. Niaina nandritra ny 404 taona i Ebera (Gen. 11. 14-17 - Septoaginta).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Marcus Jastrow, A Dictionary of the Targumim, the Talmud Babli and Yerushalmi, and the Midrashic Literature (London, W.C.: Luzac & Co. ; New York: G. P. Putnam's Sons; 1903), p. 1039 etc.
  2. Hirsch, Emil G.; König, Eduard (1903). "Eber". In Singer, Isidore; et al. Jewish Encyclopedia. 5. New York: Funk & Wagnalls Company. p. 30.