Hankany amin'ny vontoatiny

Heraklesy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Héraclès)
Heraklesy

I Heraklesy dia iray amin' ny mahery fo nohajaina indrindra tany Gresy fahiny, zanaky ny andriamanitra Zeosy sy i Alkmena. Tamin' ny fahazazany izy dia nantsoina hoe Alkaiôsy na Alkeidesy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἡρακλῆς / Hēraklễs, izay midika hoe "Voninahitr' i Hera", fa tamin' ny fahazazany izy dia nantsoina hoe Ἀλκαῖος / Alkaios) na Ἀλκείδης / Alkeidēs. Ny fedrà grika dia milaza azy ho nana traikefa be dia be izay nahitana azy nitety ny tontolo fantatry ny ny Dôrianina ary avy eo manerana an' i Mediteranea, manomboka amin' ny fanitarana an' i Grisia Lehibe (grika: Mεγάλη Ἑλλάς / Megálê Hellás; latina: Magna Graecia), ka hatrany amin' ny Tontolo ambanin' ny tany. Ny tena malaza indrindra amin' ny zavatra nataony dia ny "Asa vaventy roa ambin' ny folo". Voatonona ao amin' ny literatiora grika izy, nanomboka tamin' i Hômera. I Heraklesy dia mifanitsy amin' i Herkiola (latina: Hercules) ao amin' ny fedrà rômana, ary heverina ho ilay Melkart fenisiana, ilay Hercle etroska, ary i Kakasbos tany Azia Minora. I Herkiola rômana indraindray dia aseho ho tsy dia mahery setra noho i Heraklesy grika izay ampitovina aminy ao amin' ny fitantarana izay isehoany ary misy zavatra niainana tany Italia manokana.

Ny fiainany manokana

[hanova | hanova ny fango]

Ny vadiny dia Deianira. Ny zanany dia Agelaus, Gélonos.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase:
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.