Gripa

Ny gripa dia areti-mihanaka sy mifindra mitranga matetika vokatry ny virosy ARN sasany ao amin' ny fianankavian' ny Orthomyxoviridae (Alphainfluenzavirus influenzae sy Betainfluenzavirus influenzae sy Gammainfluenzavirus influenzae ary Deltainfluenzavirus influenzae), izay mahavoa ny vorona sy ny biby mampinono sasany toy ny kisoa sy ny olombelona.
Ny gripa epidemika na gripa tsotra
[hanova | hanova ny fango]Miseho arakaraka ny fizaràn-taona ny gripa epidemika na gripa tsotra, indrindra amin' ny fararano sy ririnina (mangatsiaka) any amin' ny faitra manana toetany antonony, ary mahatratra ny tampony mandritra ny fizaràn-taonan' ny orana (vanim-potoana mafana) any amin' ny faritra trôpikaly. Misy aretin-doha sy kohaka ary misy aretin-tenda ary malain-komana ny olona voan' ny gripa. Mitsahatra ireo famantarana ireo afaka telo na efatra andro. Raha tsy sitrana ny gripa (pnemônia vokatry ny bakteria na tsy fahampian-drano) dia mety hahafaty.
Amin' ny alalan' ny teten-dranoka bitika feno virosy avoakan' ny evina sy ny kohaky ny olona na biby marary ny fifindran' ny gripa. Ny fizahana ny gripa amin' ny fotoan' ny valanaretina dia tsotra, ary ny fitsaboana ny gripa arakaraka ny famantarana dia tsy sarotra. Ny vakisiny no tena fisorohana ny gripa. Any amin' ny tany mandroso dia matetika manome vakisiny ho an' ny olona mora andairanyma[1], ary omena koa ny akoho amam-borona ompiana[2].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Miteny anglisy
- ERS Online Course on Influenza
- Swine and Seasonal Flu Archived Jolay 27, 2011 at the Wayback Machine, Institute for Good Medicine Archived Aogositra 1, 2009 at the Wayback Machine at the Pennsylvania Medical Society
- Info on influenza at CDC
- Summary of the disease at the NYTimes.
- 10 Genes, Furiously Evolving NYTimes May 4, 2009
- Outbreak Alerts United States based communicable disease notification website.
- Influenza Research Database – Database of influenza genomic sequences, serotypes, polymorphisms, structures, epitopes, drugs and related tools.
- Influenza (Mayo Clinic)
- Fact Sheet Overview of influenza at World Health Organization
- The Multinational Influenza Seasonal Mortality Study (MISMS) Archived Septambra 9, 2016 at the Wayback Machine Fogarty International Center
- Health encyclopedia entry Archived Oktobra 26, 2008 at the Wayback Machine at NHS Direct
- Orthomyxoviridae The Universal Virus Database of the International Committee on Taxonomy of Viruses
- Influenza Virus Resource from the NCBI
- European Influenza Surveillance Scheme Archived Oktobra 13, 2011 at the Wayback Machine
- Flu Trends Archived Desambra 25, 2008 at the Wayback Machine – flu activity across the U.S.
- Cold and flu advice Archived Novambra 12, 2008 at the Wayback Machine (NHS Direct)
- Online video discussing influenza outbreaks and spread of other infectious diseases (Vega Science Trust)
- Flu.gov: Know What To Do About the Flu
- PATH Vaccine Resource Library influenza resources
Tsiahy
[hanova | hanova ny fango]
|
