Aller au contenu

Green Giant mine

Avy amin'i Wikipedia

Ny Green Giant mine dia anisan' ny toeram-pitrandrahana vanadiôma lehibe indrindra eto Madagasikara. Ao Fotadrevo any amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana no misy ny fitrandrahana. Ity toerana ity dia manana tahiry mitentina 59,2 tapitrisa taonina ahazoana vanadiôma 0,68 %. Tamin' ny volana Aogositra 2007, ny orinasa kanadianina Uranium Star Corp dia nanambara ny hanaovany fifanarahana hividianany ny 75 % ny petra-bola ao amin' ny toeram-pitrandrahana amin' ny Madagascar Minerals and Resources Sarl, ary avy eo nividy azy feno tamin' ny taona 2009. Nisy fanadihadiana an-kabakabaka natao tamin' ny taona 2007 ary nisy santionany nalaina tamin' ny taona 2008. Ny Uranium Star Corp dia niova anarana hoe Energizer Resources Inc tamin' ny Desambra 2009, ary avy eo hoe NextSource Materials Inc tamin' ny Avrily 2017. Io toeram-pitrandrahana io dia 11 km miala ny toeram-pitrandrahana ao Molo, izay misy vanadiôma ihany koa, izay an' ny NextSource.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]