Galilea Ambany

Avy amin'i Wikipedia
I Galilea Ambany any amin' ny tapany avaratr' i Israely

I Galilea Ambany na Galilia Ambany dia faritra ao amin' ny Distrika Avaratra ao Israely. I Galilea Ambany dia faritan' ny Lohasahan' i Jezreel ao atsimo, i Galilea Ambony ao avaratra (izay misaraka aminy amin' ny alalan' ny Lohasahan' i Beit HaKerem), ny Lohasahan' i Jordana ary ny Farihin' i Tiberiasy (na Tiberiada) ao atsinanana; ary eo andrefana ny ampahany amin' ny lemaka amorontsiraka antsoina hoe Lohasahan' i Zebolôna (Zvulona) eo anelanelan' ny Tendrombohitra Karmela sy i Akko.

Amin' ny teny hebreo izy i Galilea Ambany dia הגליל התחתון / HaGalil HaTaḥton, fa amin' ny teny arabo kosa dia الجليل الأسفل / Al Jalil Al Asfal.

I Galilea Ambany dia ny ampahany atsimo amin' i Galilea na Galilia. Tamin' ny andron' i Flavio ​​​​Jôsefa, dia nofaritana ho faritra mipaka hatrany Xalota (Iksal) ka hatrany Beer-Sheba (na Bersabe) izy io, ary hatrany Kabul ka hatrany Tiberiada na Tiberiasy. Lazaina hoe "Ambany" izy satria kely vitsy tendrombohitra kokoa noho i Galilea Ambony. Mahatratra 500 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina ny tampon' i Galilia Ambany. Ny tendrombohitra avo indrindra dia ny Tendrombohitra Kamon (598 m) any amin' ny faritra avaratra amin' i Galilea Ambany sy ny Tendrombohitra Thabor na Tabara (588 m) any amin' ny tapany atsimo.