Fulbert Youlou

Avy amin'i Wikipedia
Fulbert Youlou

I Fulbert Youlou no mpanorina ny antoko Union Democratique de Défense des Intérêts Africains (UDDIA) tamin' ny taona 1956. Izy no filoham-pirenen' ny Repoblikan' i Kôngô voalohany tamin' ny taona 1960 taorian' ny nanohanan' ny fokon' ny maro anisa Bakôngô. Ny fiezahany hanangana fanjakana fehezin' antoko tokana dia nampihena ny fitiavan' ny vahoaka azy. Tamin' ny taona 1963, taorian' ny fitokonam-be izay niafara amin' ny fihetseham-bahoaka dia niongana ny fitondrany. Maty tamin' ny taona 1992 izy.

Atao hoe Yulu amin' ny fiteny kikôngô. Teraka tao Madibou ao amin' ny distrikan' ny Pool tamin' ny 9 Jona 1917, ary maty tany Madrid tamin' ny 6 Mey 1972 tany Espaina tamin' ny faha-54 taonany.

Jereo[hanova | hanova ny fango]