Quaker Peace and Social Witness

Avy amin'i Wikipedia

Ny Quaker Peace & Social Witness (QPSW), fantatra taloha amin' ny anarana hoe Friends Service Council, ary avy eo tamin' ny hoe Quaker Peace and Service, dia iray amin' ireo komity foibe ao amin' ny fivoriana isan-taona ataon' ny Fikambanan' ny Sakaiza (Religious Society of Friends) any Britaina Lehibe, izay fikambanana nasiônalin' ny Quakers any Britaina Lehibe. Miasa izy io mba hampiroboroboana ny fijoroana vavolombelona ataon' ny Sakaiza britanika momba ny fitovian-jo, ny rariny, ny fandriampahalemana, ny fahatsorana ary ny fahamarinana. Ity fikambanana ity dia miara-miasa amin' ny vondrom-panerena madinila eo an-toerana sy vondrom-panerena lehibe iraisam-pirenena.

Tamin' ny taona 1947, ny Friends Service Council ("Filankevitry ny Fanompoan' ny Sakaiza") tamin' izany fotoana izany dia nahazo ny Loka Nobel ho an' ny Fandriampahalemana niaraka amin' ny American Friends Service Committee ("Komitin' ny Fanompoan' ny Sakaiza Amerikana)", tamin' ny anaran' ny Quakers.