Fokon' i Naftaly

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fokon'i Naftaly)
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

Ny fokon' i Naftaly dia iray amin' ireo foko roa ambin'ny folon'i Israely. Tao amin' ny faritr' i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny taniny. Isan' ny Fanjakan' i Israely avaratra ny fokon' i Naftaly ka lazaina fa isan' ny fokon' i Israely very.

I Naftaly[hanova | hanova ny fango]

I Naftaly na Neftaly (hebreo: (נַפְתָּלִי‬ / Naftali) dia zanaka fahenin'i Jakoba sady zanany faharoa tamin'i Bila mpanompovavin'i Rahely. Ireto ny zanany lahy: Jaziela, Gony, Jezera ary Silema (Genesisy 46.24).

Ny anjara tanin' ny fokon' i Naftaly[hanova | hanova ny fango]

Tao amin' ny faritr'i Galilea (na Galilea), manamorona ny tapany ambonin' ny ony Jordana (na Jordany) sy ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy) ny tanin'i Naftaly. Ao andrefany no ahitana ny tanin'i Asera, ao avaratra ny tanin'i Dana ary ao atsimo ny tanin'i Zebolona (Jos. 19.32-39).

Anisan' ireo fokon'i Israely nanjavona[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny fivakisan'ny fanjakana ho roa dia isan'ny Fanjakan'i Israely (na Fanjakan'i Samaria) ny fokon'i Naftaly. Araka ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.29) dia nataon'ny Asiriana sesitany ny mponin'i Naftaly tamin'ny taona 734 tal. J.K. Lazaina fa isan'ny fokon'i Israely very izy.

Olona isan' ny fokon' i Naftaly[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Bokin'i Tobià dia taranak'i Naftaly i Tobia. I Ahira, zanaka lahin'i Enana, dia andriandahy taranak'i Naftaly koa.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]