Fiteny londa

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny londa, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny tsilonda, dia fiteny banto ampiasaina ao Zambia sy ao Angôla ary, amin' ny ankapobeny, any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny fiteny londa sy ny fitenim-paritra ao aminy dia tenina sy azon' ny 4,6 % amin' ny Zambiana (tombana natao tamin' ny taona 1986), ary any amin' ny North-Western Province ("Faritany Avaratra-Andrefana") ao Zambia no tena ampiasaina io fiteny io.

Ny ankamaroan' ny Londa dia hita ao amin' ny ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, indrindra fa ao amin' ny Faritanin' i Katanga, ary koa any Angôla. Vitsy amin' ny fitenim-paritra londa no hity ao Namibia.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]