Aller au contenu

Fiteny kalinagô

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kalinagô, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny iñery, dia fiteny araoaka ara-tantara nampiasain' ny Kalinagô nonina tao amin' ireo nosy Antilia Kely any Karaîba. Lasa lany tamingana tamin' ny taona 1920 tany ho any ny Kalinagô noho ny fihenan' ny mponina sy ny fandroahana tamin' ny andron' ny fanjanahantany ka nahatonga ny fahafatesan' ilay fiteny, saingy nisy sampana iray mbola velona tahaka ny fiteny garifona, indrindra any Amerika Afovoany.

Na dia eo aza ny anarany, ny Kalinagô dia tsy mifandray akaiky amin' ny fiteny karaîba ao amin' ny tanibe Karaîba. Raha ny tokony ho izy, dia toa fivoaran' ny fiteny araoaka tenenin' ireo Ignery taloha nonina tao amin' ireo nosy ireo, izay noraisin' ireo Karaîba tonga tamin' ny vanim-potoana talohan' i Chiristopher Colomb, io fiteny io. Nandritra ny vanim-potoanan' ny fanjanahantany frantsay, ny lehilahy karaiba koa dia namopiasa fiteny pijiny avy amin' ny fiteny karaîba teo amin' izy ireo