Fiteny kôira

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kôira, izay antsoina koa hoe fiteny sôngay andrefana, dia karazana fiteny sôngay tenenin' ny olona ao Maly eo ho manamorona ny ony Niger any Timbuktu (na Tombouctou), sy any andrefana, anirà, any Diré, Tonka, Goundam ary Niafunké, ary koa any Araouane ao avaratra. Tamin' ny taona 1999 dia niisa 200 000 ny mpteny kôira.

Ny mpampiasa ny fiteny jene, fitenim-paritra ampiasaina ao Djenné, dia mifankahazo fiteny amin' ny mpampiasa ny fiteny kôira saingy misy fahasamihafana manavaka ireo fiteny roa ireo, indrindra ny zanapeo fanampiny ([ɛ] sy [ɔ]) ary ny fahasamihafana ara-pitsipiteny manokana hafa koa.

Any atsinanan' i Tombouctou dia miteny kôirabôrô (izay atao hoe koa ​​fiteny sôngay atsinanana) ny olona.