Fiteny islandey

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny islandika)
I Islandy ao Eorôpa

Ny fiteny islandey na fiteny islandika dia fiteny jermanika tenenina indrindra ao Islandy izay manao azy ho fiteny ôfisialy. Anisan' ny sampana andrefan' ny fiteny jermanika avaratra ny fiteny islandey izany mitovitovy amin' ny fiteny ferinjiana. Sahala amin' ny fiteny skandinaviana hafa dia avy amin' ny fiteny noroà na norsa tranainy izy.