Aller au contenu

Fiteny bavariana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny bavariana dia vondrom-pitenim-paritra alemàna. Mandrafitra ny vondrona "alemana ambony indrindra" izy sy ny vondrom-pitenim-paritra alemanika. Na eo aza ny anarany, dia maherin' ny antsasany amin' ny mpiteny no monina any ivelan' i Bavaria: izy io koa dia ampiasaina manerana an' i Aotrisy ankoatra an' i Vorarlberg, sy ao amin' ny kaominina Samnaun (any Soisa) ary any amin' ny Faritany mizaka tenan' i Bolzano (any Italia) ary any amin' ny nosy vitsivitsy ao Carnia.