Fiteny ao Marôka

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny faritra itenenana ny fiteny samihafa ao Marôka

Ny fiteny ao Marôka dia maro dia maro, ka ny ankamaroany dia endriky ny fiteny arabo sy endriky ny fiteny berbera na amaziga. Ireo fiteny roa ireo, amin' ny endriky manara-penitra, dia fiteny ôfisialy ao Marôka. Ny fiteny arabo literera no fitenin' ny fitantanan-draharaha fa ny fiteny amaziga dia tsy manana endrika nampiraisina; na izany aza dia apetraka tsikelikely ny endrika manara-penitry ny fiteny amaziga.

Ny fiteny hafa toa ny fiteny frantsay, ary amin' ny lafiny kely kokoa, ny fiteny espaniôla, dia tena hita any Marôka, fa ny fiteny anglisy kosa dia mahazo vahana eo amin' ny tontolon' ny fandraharahana sy ny fifanakalozana iraisam-pirenena.

Ny fiteny arabo marôkana (fantatra amin' ny anarana hoe darija) no fiteny be mpampiasa indrindra sy lingua franca, fa ny fiteny berbera maro kosa dia fiteny ifaneraserana anatin' ny ampahany manan-danja amin' ny fizaràn-tanin' ilay firenena. Ny fiteny manan-kaja any Marôka dia ny fiteny arabo amin' ny endriny klasika sy amin' ny endriny manara-penitra ankehitriny ary indraindray koa ny fiteny frantsay, ary ity farany dia fiteny faharoa ho an' ny 33 % amin' ny Marôkana. Araka ny fanadihadiana natao tamin' ny taona 2000–2002 nataon' i Moha Ennaji, mpanoratra ny Multilingualism, Cultural Identity, and Education in Morocco, dia misy fiekena ankapobeny fa ny fiteny arabo manara-penitra sy ny fiteny arabo marôkana ary ny fiteny berbera no fitenim-pirenen' i Marôka.

Manodidina ny 6 tapitrisa eo ho eo ny mpiteny berbera ao Marôka. Mitana toerana lehibe ao Marôka ny fiteny frantsay, satria ampianarina maneran-tany izy io ary ampiasaina ho fiteny voalohany ao Marôka momba ny varotra sy ny toekarena, ny kolontsaina, ny siansa ary ny fitsaboana; ampiasaina betsaka amin' ny fanabeazana sy ao amin' ny governemanta koa izy io. Mpikambana ao amin' ny Frankôfônia i Marôka.

Maro amin' ny Marôkana no miteny espaniôla, indrindra any amin' ny faritra avaratra manodidina an' i Tetouan sy Tangier, ary koa any amin' ny faritra atsimo, noho ny fifamatorana ara-tantara sy ny fifandraisana ara-barotra amin' i Espaina.

Araka ny fanadihadiana nataon' ny Governemantan' i Espaina tamin' ny taona 2012 dia ny 98 % amin' ny Marôkana no miteny arabo marôkana, ny 63 % miteny frantsay, ny 26 % miteny berbera, ny 14 % miteny anglisy, ary ny 10 % miteny espaniôla.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]