Fiteny aja

Avy amin'i Wikipedia
Fitsinjaran' ireo fiteny gbe lehibe (nolokoana mena ny faritra misy ny fiteny ajagbe).

Ny fiteny aja na fiteny ajagbe dia anisan' ny fiteny gbe ampiasain' ny Aja izay miisa 550 000 eo ho eo, ahitana 360 000 ao Benîno tamin' ny taona 2006 sy 190 000 tany Tôgô tamin' ny taona 2012. Ny vondrom-piteny gbe dia zana-bondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley. Ny fiteny gbe dia mamorona fitohizam-piteny izay azo raisina ho toy ny vondrom-pitenim-paritra ao amin' ny fiteny iray na ho fiteny mahaleo tena mifanakaiky.