Fitenin' ny Ôily

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiten'Ôily)
Faritra nisy ny fitenin' ny Ôily

Ny fitenin' ny Ôily na fiteny ôilitana izay antsoina fotsiny hoe Ôily dia fiteny rômana izay nivoatra tao amin' ny tapany avaratr' i Galia, avy eo tao amin' ny tapany avaratr' i Frantsa, tao amin' ny tapany atsimon' i Belzika (Belzika rômana) ary tao amin' ireo nosy anglô-nôrmanda, ary notenenin' ny olona tamin' ny Andro Antenatenany. Nifangaro tamin' ny fiteny frantsay tranainy izy, izay mahafaoka tamin' izany fotoana izany ireo fitenim-paritra ôily. Ny fisandratan' ny endri-piteny tokana sady nampanarahim-penitra tamin' ny fiandohan' izany vanimpotoana vaovao izany (dia ny fiteny frantsay ankehitriny) no nahatonga ny fanavahana azy ireo ho maro lasa tsy nisy antony intsony tamin' ny fotoan' ny fiteny frantsay antenatenany: tamin' izany no nanavahana ny fiteny frantsay andaniny sy ireo fiteny ôily hafa ankilany. Navondrona ao amin' ny vondrom-piteny galô-rômana ireo fitenin' ny Ôily ireo. Ity vondrom-piteny any avaratra ity dia nitahiry ireo fototra avy amin' ny fiteny seltika maro indrindra sady niharan' ny akon' ny fiteny jermanika raha mitaha amin' ny fiteny ôksitanô-rômana any atsimo, izany hoe ny fitenin' ny Ôka.