Fisandratana (môrmônisma)
Ny fisandratana dia finoana ao amin' ny môrmônisma fa aorian’ ny fahafatesana dia hisy olona sasany ho tonga amin' ny ambaratonga avo indrindra amin' ny famonjena ao amin’ ny fanjakana selestialy ary hiaina mandrakizay eo anatrehan' Andriamanitra, hanohy amin' ny maha fianakaviana azy, ho tonga andriamanitra, hamorona tontolo, ary hanao zanaka ara-panahy izay hotarihiny. Ao amin' ny antokom-pinoana môrmôna lehibe indrindra, dia ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany, ny mpitarika fara tampony dia nampianatra fa maniry ny fisandratana ho an' ny olombelona rehetra Andriamanitra ary ny olombelona dia "andriamanitra ao amin' ny tsaika"[1][2]. Andininy iray ao amin' ny soratra masin' ny Fiangonana Olomasin' ny Andro Farany dia milaza fa ho tonga andriamanitra ireo izay hasandratra[3], ary ny fanambaràna tamin' ny taona 1925 avy amin' ny filankevi-pitantanana ambony indrindra ao amin' ilay fiangonana dia nilaza fa "Ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia mitovy amin' ny Ray sy ny Reny manerana izao rehetra izao... [sady] afaka mivoatra ho Andriamanitra, amin' ny alalan' ny traikefa nandritra ny taona sy ny vanim-potoana maro"[4].
Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany dia mampianatra fa amin’ ny alalan' ny fisandratana ny mpino dia afaka ny ho tonga mpiray lova amin' i Jesoa Kristy. Ny teny nambaran' ny Môrmôna malaza iray—izay matetika lazaina ho nataon' ny apôstôly voalohany Lorenzo Snow tamin' ny taona 1837—dia ny hoe "Toy ny olombelona ankehitriny Andriamanitra taloha: mety ho tahaka an' Andriamanitra ankehitriny koa ny olona."[5]
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Boyd, George T. (1968). "A Mormon Concept of Man". Dialogue. 3 (1): 65. doi:10.2307/45226953. JSTOR 45226953. S2CID 254392103.
- ↑ Hagen, Kirk D. (Summer 2006). "Eternal Progression in a Multiverse: An Explorative Mormon Cosmology". Dialogue. 39 (2): 2. doi:10.2307/45227238. JSTOR 45227238. S2CID 254398580.
- ↑ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:20
- ↑ Evolution and the Origin of Man. Brigham Young University. 2004. p. 3.
- ↑ Morris Brown, Samuel (December 1, 2011). In Heaven as It Is on Earth: Joseph Smith and the Early Mormon Conquest of Death. Oxford University Press. ISBN 978-0-19-979368-6.