Aller au contenu

Filazantsaran' i Markiôna

Avy amin'i Wikipedia

Ny Filazantsaran' i Markiôna na Evanjelin' i Marsiôna, izay nantsoin' ny mpanaraka azy hoe Filazantsaran' ny Tompo na Evanjelin' ny Tompo, na ny Filazantsara na Evanjely fotsiny ihany, dia lahatsoratra nampiasain' i Markiôna avy any Sinôpesy, mpampianatra kristianina gnôstika tamin' ny taonjato faha-2, mba hanilihana ny filazantsara hafa. Ny ankamaroan' ny manam-pahaizana dia manaiky fa io filazantsara io dia endriky ny Filazantsaran' i Lioka nohavaozina taty aoriana, na dia nisy tohan-kevitra maromaro mifandraika amin' ny maha nosoratana taloha kokoa ny an' i Markiôna izay naroso tato anatin' ny taona vitsivitsy.