Fikao-tany

Avy amin'i Wikipedia
Fikao-tany avy amin' ny rivotra

Ny fikao-tany dia fahasimban' ny nofon-tany amin' ny endrika fifindran' ny akora ambonin' ny sosona ivelany indrindra amin' ny tany vokatry ny asan' ny rano sy ny rivotra indrindraindrindra. Ny fiarovana amin' ity karazana kaoka ity dia zava-dehibe amin' ny fitandroana ny hatsaran' ny tany fambolena sy ny hatsarabn' ny rano ambonin' ny tany ary ny fiarovana ny toeram-ponenana sy ny fotodrafitrasa (mandrakotra ny lalana, mahatonga ny koriam-potaka, manakatona na manentsina ny tambajotra fanangonana ranon' orana).