Fikambanana maneran-Tany momba ny Varotra

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana ny Fikambanana maneran-Tany momba ny Varotra

Ny Fikambanana maneran-Tany momba ny Varotra dia fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fitsipika mifehy ny varotra iraisam-pirenena eo amin' ny samy firenena. Atao hoe Organisation mondiale du commerce (OMC) izy amin' ny teny frantsay, fa World Trade Organization (WTO) kosa amin' ny teny anglisy, ary Organización Mundial del Comercio (OMC) amin' ny teny espaniôla.

Ny ivon' ilay fikambanana dia ny fifanarahana maro ao amin' ny OMC, nifampiraharaha sy nosoniavin' ny ankamaroan' ny firenena mpivarotra eran' izao tontolo izao tamin' ny Avrily 1994 tany Marrakech ary nankatoavin' ny fivorian' ny Antenimiera.

Ny tanjon' ny OMC dia ny hampiroborobo ny fisokafan' ny raharaham-barotra. Mba hahatanteraka izany dia miezaka ny hampihenana ny sakana amin' ny varotra malalaka (fifanakalozana malalaka), manampy ny governemanta hamaha ny disadisa momba ny varotra ary manampy ny mpanondrana sy ny mpanafatra ary ny mpamokatra entana sy serivisy amin' ny asany.

Nanomboka tamin' ny taona 2001, ny fifampidinihana notarihin' ny OMC dia ny ny natao tao Doha. Na dia tsy masoivoho manokana ao amin' ny Firenena Mikambana aza ny OMC dia mitazona fifandraisana amin' ity farany izy. Ny foiben' ny OMC dia ao amin' ny Centre William-Rappard, any Geneva. Nanomboka tamin' ny 1 Marsa 2021, ny tale jeneraly dia i Ngozi Okonjo-Iweala.