Fikambanan' ny Mpianatra Baibolin' ny Mangirandratsy

Avy amin'i Wikipedia
Charles Taze Russell

Ny Fikambanan' ny Mpianatra Baibolin' ny Mangirandratsy dia fikambanana sy hetsika kristiana, ary fikambanana ara-dalàna ampiasain' ny sampana iray ao amin' ny hetsiky ny Mpianatra ny Baiboly. Atao hoe Dawn Bible Students Association izy amin' ny teny anglisy.

Naorina tamin' ny fikasana ho lasa trano fanontana boky aman-gazety izy io mba hanombohana manao pirinty sy hizarana ny boky enina voalohany amin' ny andian-dahatsoratra Studies in the Scriptures ("Fianarana ny Soratra Masina") nosoratan' i Charles Taze Russell mivantana, izay najanon' ny Watchtower Society tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1927.

Tamin' ny taona 1966 ilay fikambanana dia namoaka ny Oh, the Blessedness ("Oh, ny Fitahiana"), bokikely kely izay nitsipaka ny ankamaroan 'ny fomba fijerin' i Russell momba ny faminaniana ao amin' ny Baiboly sy ny faminaniana momba ny andro farany izay niteraka fisaratsarahana anatiny maro.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]