Aller au contenu

Fihirihana

Avy amin'i Wikipedia
Fihirihana: ny mainty dia maneho ny vainga fa ny manga kosa dia ny foana amin' ny hirika

Ny fatran-kirika na fihirihana dia ny fitambaran' ny hirika (foana) ao anaty akora iray, ireo hirika ireo dia fenoin' ny hanaka (ranoka na etona). Amin' ny ankapobeny dia vainga ny akora misy hirika, saingy misy ihany koa ny ranoka misy hirika sy fitambaran-javatra misy hirika, toy ny antontam-boamadinika na ny vovoka. Ny fatran-kirika dia habe fizika izay faritana ho ny tahan' ny fitambaran' ny hadirin' ny hirika sy ny hadirin' ny akora misy hirika, ny sandany dia eo anelanelan' ny 0 sy 1 (na, raha atao isan-jato, dia eo anelanelan' ny 0 % sy 100 %).