Fihibohana (fahasalamana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny fihibohana dia paikady atao hampihenana ny loza ara-pahasalamana ka anerena ny mponina amin' ny tanàna na faritra iray hijanona ao amin' ny toeram-ponenany na amin' ny toerana iray manokana, ka raha tsy manaraka izany izy ireo dia iharan' ny sazy (sazy ara-toekarena na sazin-keloka). Ampiasaina indraindray ny fihibohana ara-pahasalamana rehefa misy valanaretina (indrindra ny valanaretina vao mipoitra) mba hamerana ny fifampikasohan' ny olona sy hamerana ny fihanak' ilay aretina.

Nandritra ny valanaretina Covid-19 dia nampiasaina betsaka ny fihibohana, izay fepetra momba ny fahadiovana sy ny fanalavirana ara-batana, fantatra amin' ny anarana hoe "sakana", izay fepetra miavaka amin' ny hevitra mahazatran' ny teny hoe "fihibohana", voafaritra amin' ny sehatra iraisam-pirenena, na anatin' ny firenena na amin' ny tanàna ao amin' ny faritra samihafa voakasik' ilay fahasahiranana ara-pahasalamana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]