Ficus benghalensis

Ny Ficus benghalensis dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Moraceae, hazo teratany any amin' ny Zana-kôntinenta Indiana. Atao hoe "fihamy" ny anarany amin' ny teny malagasy nefa tsy io ihany no zavamaniry antsoina amin' io anarana io.
Toy ny hazo maro hafa ao amin' ny vondron-karazana Ficus ny Ficus benghalensis, ka manomboka maniry ambonin' ny hazo hafa izy, izany hoe miankin-doha amin' ny hazo hafa izay nisy vorona mpihinana voan' aviavy nametraka ny voany teo.
Mamoaka faka mitsingevaheva avy eny ambony avy amin' ny sampany izy io, ka izany no lasa taho feno rehefa mipaka amin' ny tany, ary ahafahan' ilay hazo hiparitaka amin’ ny faritra midadasika manodidina azy. Kendainy miandalana ilay hazo niankinany ka sempotra amin' ny farany. Ity karazana ity dia afaka maniry avy amin' ny tany toy ny ankamaroan' ny hazo. Mivoatra ho hazo goavam-be izay mety maharakotra hektara maromaro ny fihamy. Afaka manana vatana lehibe miisa 350 any ho any izy ary zanany miisa 3 000 any ho any.
Teratany any India sy Pakistana ary Srilanka izy io, saingy nentina novolena any amin' ny faritra hafa manerana izao tontolo izao. Ny santionany any India dia anisan' ny hazo lehibe indrindra eran' izao tontolo izao raha ny fandrakofany velarana no heverina.