Fetran'i Oppenheimer
Apparence
Amin'ny fizikan-kainkintana, ny fetran'i Oppenheimer na Oppenheimer-Volkoff dia mamaritra ny lanja lehibe indrindra azo ananan'ny kintana netirônina. Raha mihoatra izany sanda izany dia lasa mivadika lavaka mainty ilay zavatra. Ny sandan'izany fetra izany dia eo amin'ny 1,5 hatramin'ny 3 lanjamasoandro.[1] Izy io dia azo ampitahaina amin'ny fetran'i Chandrasekhar ho an'ny kintana sahozanina fotsy. Izany fetra izany dia ny lanja lehibe indrindra ao afovoan-kintana.
Ny anarana hoe fetran'i Oppenheimer-Volkoff dia avy amin'ny anaran'ny mpahay fizika roa J. Robert Oppenheimer ary George M. Volkoff izay namarana ny asa natombokny ny mpahay fizika Richard C. Tolman momba ilay fetra[2]