Aller au contenu

Farimbon' Ezaka ho Fahombiazan' ny Fanabeazana eny Ifotony

Avy amin'i Wikipedia

Ny Farimbon' Ezaka ho Fahombiazan' ny Fanabeazana eny Ifotony (na FEFFI) dia rafitra ao amin' ny Minisiteran' ny Fanabeazam-Pirenena eto Madagasikara izay natsangana ho fanampiana ara-bola ho fanatsarana sy fanamafisana ny fanabeazana fototra (EPP na CEG). Araka ny didim-panjakana laharana 2015-707[1] izay manafoana ny didim-panjakana teo aloha (laharana 2002-1007[2]) dia manana rafitra sy fandaminana voafaritr' ity didim-panjakana ny FEFFI. Tompon' andraikitra amin' ny fitantanana ny vola (izay atao amin' ny teny hoe "caisse école" na "caisse de soutien") sy ny fitaovana izy, sady miara-miasa amin' ny talen-tsekoly. Ny fandraisan' anjaran' ny ray aman-drenin' ny mpianatra sy ny fitanana kaonty hentitra ary ny fitaovana omen' ny Minisiteran' ny Fanabeazam-Pirenena dia manampy amin' ny fampiasana tsara ny vola ho tombontsoan' ny mpianatra sy ny sekoly. Na dia manana anjara toerana lehibe eo amin' ny fitantanana ny toeram-pampianarana eto Madagasikara aza ny FEFFI, dia maro ny olana mbola mitoetra ary manakana ny fahombiazany. Olana goavana manimba ny fanabeazana eto Madagasikara ny fanodinkodinam-bola eo anivon' ny FEFFI.

Ny lalàna

[hanova | hanova ny fango]

Ny fitantanana ny tahirim-bolan' ny sekoly (caisse école) sahanin' ny FEFFI dia fehezin’ ny didim-panjakana laharana 2015-707 tamin’ ny 21 Avrily 2015, izay mamaritra ny rafitra sy ny fandaminana ny FEFFI. Ity didim-panjakana ity dia manafoana ny didim-panjakana teo aloha (laharana 2002-1007) ary mikendry ny hanavao sy ny hanamafisana ny fitantanana ny toeram-pampianarana.

Fitantanana

[hanova | hanova ny fango]

Fiaraha-mitantana

[hanova | hanova ny fango]

Ny FEFFI dia natao ho an' ny fitantanana ny fandraisana anjaran' ny mpisehatra samihafa avy amin' ny tontolon' ny fanabeazana: ny ray aman-drenin' ny mpianatra amin' ny alalan' ny Fikambanan' ny Ray Aman-drenin' ny Mpianatra (FRAM) dia manana solontena eo anivon’ ny FEFFI ary mandray anjara amin' ny fanapahan-kevitra mikasika ny fampiasana ny vola. Miara-miasa akaiky amin' ny FEFFI amin' ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny fitantanam-bola ny talen-tsekoly. Afaka mandray anjara koa ny solontenan' ny vondrom-paritra eo an-toerana, ka manamafy ny fifandraisan' ny sekoly sy ny tontolo manodina azy.

Fangaraharana sy fanaraha-maso

[hanova | hanova ny fango]

Ny FEFFI no miantoka ny fangaraharan' ny fampiasana ny vola. Tafiditra ao anatin' izany ny fitanan-kaonty hentitra izay itazoman' ny FEFFI firaketana momba ny kaonty marina sy ny fanaovana tatitra momba ny fampiasana ny vola. Ny fanaraha-maso dia azon' ny tompon' andraikitra mahefa mba hiantohana ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny vola. Ny fisian' ny solontenan' ny ray aman-dreny eo anivon' ny FEFFI no ahafahan' ny olom-pirenena mandray anjara amin' ny fanaraha-maso sy mampisy ny mangarahara kokoa.

Fampiasana ny vola

[hanova | hanova ny fango]

Ny vola avy amin' ny tahirim-bolan' ny sekoly na ny vola fanohanana dia azo ampiasaina amin' ny fandaniana isan-karazany mifandraika amin' ny fampandehanana ny sekoly sy ny fanatsarana ny fianarana. Anisan' izany ny fanamboarana madinika sy fikojakojana ny trano, ny fividianana fitaovam-pianarana sy fitaovam-pampianarana, ny fikarakarana hetska ao an-tsekoly sy ivelan' ny sekoly, ary ny fanohanana ny mpianatra sahirana.

Torolalana sy fiofanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Minisiteran' ny Fanabeazam-Pirenena dia namolavola toromarika momba ny fitantanana ny volan' ny sekoly sy ny FEFFI, izay nozaraina tamin' ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena. Ireo torolalana ireo dia mikendry ny hampirindra ny fanao sy hanamafisana ny fahaizan' ny mpisehatra izay mandray anjara amin' ny fitantanana ara-bola ny sekoly.

Na dia manana anjara toerana lehibe eo amin' ny fitantanana ny toeram-pampianarana eto Madagasikara aza ny FEFFI, dia maro ny olana mbola mitoetra ary manakana ny fahombiazany.

Olana samihafa

[hanova | hanova ny fango]

Tsy fahampian' ny fahaiza-manao

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpikambana ao amin’ ny FEFFI sasany dia tsy manana ny fahaiza-manao ilaina amin' ny fitantanam-bola na ny fitanana kaonty na ny fandrafetana fandaharan' asa. Miteraka fahadisoana eo amin' ny fitantanam-bola izany, tsy fahampian' ny mangarahara ary fahasahiranana amin' ny fanatanterahana tetikasa mahomby.

Tsy fandraisany anjaran' ny FRAM

[hanova | hanova ny fango]

Na dia tokony hisolo tena ny ray aman-dreny ao anatin' ny FEFFI aza ny FRAM, dia indraindray voafetra ihany ny tena fandraisany anjara noho ny tsy fahampian' ny fampahalalana, ny tsy fahampian' ny fotoana na ny tsy fahatokisana an' ilay rafitra.

Tsy fahampian' ny fanaraha-maso

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ampy indraindray ny fanaraha-maso ny asan' ny FEFFI ataon’ ny tompon’ andraikitra mahefa. Mandrisika ny fanararaotana sy ny fanodinkodinam-bola ary ny tsy fisian' ny mangarahara amin' ny fitantanana ny vola izany.

Fitsabahan' ny olon-kafa

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny tranga sasany dia iharan' ny tsindry ara-pôlitika ny FEFFI ka manimba ny fahaleovantenany sy ny fahafahany mandray fanapahan-kevitra ho an' ny tombontsoan' ny sekoly izany.

Fanodikodinam-bola

[hanova | hanova ny fango]

Miseho amin' ny endrika maro ny fanodinkodinam-bola eo anivon' ny FEFFI eto Madagasikara, ary marihina fa tsy ny FEFFI rehetra no voakasik' izany fomba izany. Na izany aza, ny tranga voalaza dia manasongadina ny fahalemen' ny rafitra fitantanana sy fanaraha-maso.

Fisehon' ny fanodinkodinam-bola

[hanova | hanova ny fango]

Indraindray ny mpikambana ao amin' ny FEFFI dia mampiasa ny vola avy amin' ny tahirim-bokan' ny sekoly ho an' ny fandaniany manokana (fividianan-javatra, fitsangatsanganana, sns.). Misy koa ny fanehoana faktiora hosoka enti-manamarina ny fandaniana izay tsy tena nisy, na faktiora ahitana fanondrotam-bidy: ahodina avy eo ny elanelana.

Misy koa ny fividianana kojakoja na fitaovana izay tsy naterina mihitsy nefa soratana ao amin' ny kaonty, ka ny vola mifanandrify amin' izany dia ahodina. Amin' ny fanatanterahana asa lehibe na ny fividianan-javatra lehibe dia indraindray tsy voahaja ny fomba fanao amin' ny tolo-bidy, ka manome vahana ny fifanarahana tsy ara-dalàna amin' ny mpamatsy ny fanodinkodinam-bola.

Indraindray koa ny fandaniana dia atao tsy misy fanamarinana, ka tsy ahafahana manao fanaraha-maso ny fampiasana ny vola. Ny tsy fisian' ny boky firaketana kaonty mazava sy manara-penitra dia manasarotra ny fanaraha-maso ny fampidirana sy ny famoaham-bola ka mitaona ho amin' ny fanodinkodinam-bola.

Tompon' andrakitra amin' ny fanodinkodinana

[hanova | hanova ny fango]

Matetika ny fanodikodinam-bola dia iarahan' ny olona maro mandray anjara. Ny filoha sy ny mpitam-bola ary ny mpikambana hafa ao amin’ ny biraon' ny FEFFI no miandraikitra ny fitantanana ny vola. Ny tsy fisian' ny fahenterana sy ny tsy fisian' ny fanaraha-maso anatiny na ny firaisana tsikombakomba eo amin' ny mpikambana sasany dia mandrisika ny fanodinkodinam-bola. Afaka miray tsikombakomba amin' ny fanodinkodinam-bola ny mpamatsy amin' ny alalan' ny fanomezana faktiora sandoka na fanomezana faktiora mihoatra ny tokony ho tombam-bidin' ny entana. Amin' ny tranga sasany dia mety ho voarohirohy amin' ny raharaha kolikoly ny mpiasam-panjakana tompon' andraikitra amin' ny fanaraha-maso ny FEFFI, ka manakimpy ny maso amin' ny tsy fanarahan-dalàna ho takalon' ny kopaka isasahana.

Na dia tsy tompon' andraikitra mivantana amin' ny fitantanana ny tahirim-bolan' ny sekoly aza ny talen-tsekoly dia miara-miasa akaiky amin’ ny FEFFI ary mety ho voarohirohy amin' ny fanodinkodinam-bola, indrindra amin' ny fanamarinam-pandaniana mampiahiahy. Ny fandraisana anjaran’ ny ambaratongam-pahefana samihafa, manomboka amin' ny talen' ny sekoly ka hatrany amin’ ny ambaratonga ambony eo amin’ ny fitantanana ny fanabeazana, amin’ ny fanodinkodinam-bola eo anivon’ ny FEFFI, dia zava-misy. Izany fandraisana anjara izany dia vao mainka manasarotra ny ady amin' ny kolikoly ary manasarotra ny fampiharana ny rafitra fanaraha-maso. Ny fandraisana anjaran' ny ambaratongam-pahefana maromaro dia miteraka rafitra anjakan' ny kolikoly izay sarotra ravaina, satria ny mpisehatra ao dia mifampiaro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Décret n°2015-707" (PDF), www.saha.mg
  2. "Décret n°2002-1007 du 11 Septembre 2002 Portant création d’une structure dénommée « Partenariat pour le développement des établissements scolaires »", textes.lexxika.com