Aller au contenu

Fikambanan' ny Raiamandrenin' ny Mpianatra

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fikambanan' ny Raiamandrenin' ny Mpianatra (na FRAM), araka io anarany io, dia fikambanan' ny raiamandrenin' ny mpianatra eny amin' ny EPP sy CEG ary Lycée miankina amin' ny fanjakana malagasy izay natao mba hiara-hisalahy amin' ny fampandehanana ny fampianarana ny zanany, amin' ny alalan' ny fandraisana ho mpampianatra sy fandoavana ny karaman' ny mpampianatra. Nanomboka ny taona 1975, manoloana ny tsy fahampian' ny mpampianatra mpiasam-panjakana, dia nivondronan' ny ray aman-drenin' ny mpianatra nanangana FRAM.

Ny mpampianatra FRAM[hanova | hanova ny fango]

Mpampiaratra raisin' ny FRAM ho mpiasa sy karamainy, rehefa tsy ampy ny mpampianatra, ny mpampianatra FRAM. Tany amin' ny faramparan' ny taompolo 1990 no niroboroboan' ny fampidirana mpampianatra toy izany. Matetika dia ambany ny fari-pahaizan' ireo mpampianatra ireo, izay tsy nahazo fiofanana matihanina alohan' ny handraisany ny asany. Efa ho 70 000 ny isan' izy ireo tamin' ny taona 2019 ary voaray ho mpiasam-panjakana ny ankamaroany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-kevitra[hanova | hanova ny fango]