Fanitsiana ara-drafitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fandaharan' asa fanitsiana ara-drafitra dia fandaharan' asa fanavaozana ara-toekarena napetraky ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena na ny Banky Iraisam-Pirenena mba hahafahan' ny firenena iharan' ny fahasahiranana ara-toekarena lehibe hivoaka amin' ny krizy ara-toekarena.

Misy fepetra maromaro izany, ka ny sasany miasa amin' ny tranga mandalo ara-toekarena ary ny hafa amin' ny rafitra ary vokatry ny fifampiraharahana eo amin' ny firenena manana trosa sy ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena hanovana ny fampandehanana ara-toekarena an' ilay firenena. Ny fanampiana an' io firenena io amin’ ny fampiharana ny fanavaozana manam-pomba liberaly izay heveriny fa maharitra, toy ny fampanjariana entam-barotra ny entana iombonana, ny fanalefahana fifehazana amim-pittsipika ny toekarena ary ny fisokafana amin' ny tsena iraisam-pirenena malalaka. Izany vola fanampiana izany dia avoaka amin' ny tsikelikely ampahany mifanarakaraka arakaraka ny fametrahana ny fandaharan' asa fanitsiana ara-drafitra.