Fandrefiala

Avy amin'i Wikipedia
Fandrefiala

Ny fandrefiala dia karazana bibilava misy poizina kely ao amin' ny fianakavian' ny Lamprophiidae (na Pseudoxyrhophiidae taty aoriana). Ity karazana ity dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Atao hoe Ithycyphus miniatus ny anarany ara-tsiansa. Tsy azo antoka ny fisiany ao amin' ny Vondronosy Kômôro. Any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara no tena ahitana azy. Ny ala sy ny kirihitra any amin' ny tany iva no ny toeram-ponenany. Tsy taitra sy tsy tia manaikitra ny fandrefiala, nefa misy poizina afaka mampanaintaina mafy sy mety hiteraka fandehanan-dra be ho an' ny olona voakaikitra. Bibilava kely mpatory amin' ny alina ary mihaza titilivaha (Microcebus murinus) sy biby madinika hafa izy. Atahoran' ny mponina ambanivohitra eto Madagasikara ny fandrefiala, sady inoan' izy ireo fa afaka mampatory mitsangana ny olona amin' ny alalan' ny fijeriny.

Ny fandrefiala dia nofariparitan' i Hermann Schlegel voalohany tamin' ny 1837 sady nomeny io anarana ara-tsiasany io.