Fanambaràna (Olomasin' ny Andro Farany)

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny môrmônisma, ny fanambaràna dia zavatra ampitain' Andriamanitra amin' ny olona. Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mampianatra fa ny hetsiky ny Olomasin' ny Andro Farany dia nanomboka tamin' ny fanambaràna avy amin' Andriamanitra, izay nanomboka ny dingan' ny famerenana amin' ny laoniny ny filazantsaran' i Jesoa Kristy eto an-tany. Mampianatra ihany koa ny Olomasin' ny Andro Farany fa ny fanambaràna no fototry ny fiangonana naorin' i Jesoa Kristy ary mijanona ho singa manan-danja ao amin' ny fiangonany marina izany ankehitriny. Ny fanambaràna mitohy dia manome "fijoroana ho vavolombelona" ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany tsirairay, izay nofaritan' i Richard Bushman ho "iray amin' ireo teny mavesatra indrindra ao amin' ny voambolan' ny môrmônisma".

Ho valin' ny fanontaniana momba ny zavatra inoan' ny fiangonana dia nanoratra ilay antsoina hoe Wentworth Letter i Joseph Smith, ka ny fizarana farany amin' izany dia natao ho Fanekem-pinoana. Ny andininy fahadimy, fahenina, fahafito ary fahasivy dia milaza ny maha-zava-dehibe ny finoan' ny Olomasin’ ny Andro Farany momba ny fanambaràna:

5 Mino izahay fa ny olona dia tsy maintsy antsoin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny faminaniana sy amin' ny fametrahan-tanana ataon' ireo izay manana fahefana mba hitory ny filazantsara sy hanatanteraka ny ôrdônansin' izany.

6 Mino ny rafitra iray ihany izay nisy tao amin' ny Fiangonana Voalohany izahay, dia ny apôstôly, ny mpaminany, ny pasitera, ny mpampianatra, ny evanjelistra, sy ny sisa.7 Mino ny fanomezam-pahasoavana amin' ny fiteny tsy fantatra, ny faminaniana, ny fanambaràna, ny fahitana, ny fanasitranana, ny fandikana ny fiteny tsy fantatra, sy ny sisa izahay.

9 Mino izay rehetra nambaran' Andriamanitra, izay rehetra ambarany ankehitriny izahay, ary mino izahay fa mbola hanambara zava-dehibe sy manan-danja maro momba ny Fanjakan' Andriamanitra Izy.

Ny ankamaroan' ny antokom-pivavahan' ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino fa ny Tompo dia "mbola hanambara zava-dehibe sy manan-danja maro" amin' ny fiangonany amin' ny alalan' ny apôstôly sy mpaminany amin' izao andro izao; ny sasany tonga hatramin' ny filazana fa ny mpitarika rehetra ao amin' ny fiangonany dia "nantsoin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny faminaniana"; ary ny mpikambana ao amin' ny fiangonana tsirairay dia afaka mahazo fanambaràna ho an' ny tena manokana mba hanamafisana ny finoany sy hitarika azy ireo eo amin’ ny fiainany manokana.