Famantaranandro marani-tsaina
Ny famantaranandro marani-tsaina (smartwatch amin'ny fiteny anglisy) dia famantaranandro tanana ahitana solosaina izay afaka manao zavatra maranitra kokoa afatsy ny manondro ny fotoana. Ny famantaranandro marani-tsaina tamin'ny voalohany dia nahavita zavatra toa ny fikajiana, fandikan-teny ary filalaovana; ny ankehitriny dia tena solosaina enti-tanana tokoa miaraka amin'ny mpandrindra milim-pinday ary mandeha toa ny mpilalao haino aman-jery finday izay azo ihainoana fampielezam-peo FM, andefasana feo na horonantsary amin'ny alalan'ny headset Bluetooth. Misy koa ireo famantaranandro marani-tsaina afaka iantsoana olona ary afaka mandray antson'olona amin'ny alalan'ny teknôlôjiam-pifandraisan'ny finday.
Ireo fitaovana ireo dia ahitana fakan-tsary, mpandrefy fampahainganana, mpandrefy haavo, mpandrefy tsindry, famantaranavaratra, mpandrefy fototnaa, mpikajy, finday, efijery kasihina, GPS, mpaneho sarin-tany, famoaham-peo, mpandaha-potoana, famantaranandro, karatra SD fantatry ny solosaina ho mpitahiry ambongadiny ary vatoaratra azo fahanana. Afaka mifandray amin'ny alalan'ny headset tsy misy tariby, paompy insolinina, mikrôfôna, modem na fitaovana hafa.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Taompolo 1990
[hanova | hanova ny fango]Ny Timex Datalink malaza, famantaranandro antsoina ho tahaka izany, Nampidirina tamin'ny 1994 ny vokatra tsipika. Ny Timex Datalink tany am-boalohany dia manao ny famindrana ny rakitra amin'ny PC amin'ny alalan'ny fifandraisana tsy misy tariby. Ny fanendrena sy ny fifandraisana dia noforonina tamin'ny alalan'ny fandaharana Microsoft Schedule+, izay nodimbiasan'ny MS Outlook, azo mora mifindra any amin'ny efijerin'ny famantaranandro.
Tamin'ny 1998 dia namorona ary namboatra ny famantaranandro voalohany indrindra mifototra amin'i Linux i Steve Mann, izay natolony tamin'ny IEEE ISSCC2000, tamin'ny 7 Febroary 2000, izay nahatonga azy ho "rain'ny solosaina enti-tanana".
Jereo koa ny gazety Linux izay nisehoan'ny famantaranandro tanan'i Mann.
Tamin'ny 1999, dia nandefa ny finday enti-tanana toa ny famantaranandro i Samsung, ny SH-WP10, manana antenina izy io, efijery LCD toka-doko, ary fahafaha-miteny mandritry ny 90 minitra amin'ny alalan'ny famoaham-peo ary mikrôfôna ao anatin'ilay famantarananadro.
Taona 2000-2005
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana Jiona 2000, dia nampiseho prôtôtipa famantaranandro iray mandeha amin'i Linux i IBM. Naharitra adin'ny enina fotsiny ny vatoarany, izay naitatra haharitra adin'ny 12 taoriana. Izy io dia nanana arika 8 Mo ary nandefa an'i Linux 2.2. Nohatsaraina ary nampiana mpandrefy fampahainganana, rafitra mihovitrovitra ary mpahita dian-tanana ilay zavatra taty aoriana. Nanomboka niara-niasa tamin'i Citizen Watch Co. i IBM mba hamorona ny "WatchPad". Ilay WatchPad 1.5 dia manana efijery kasihina toka-doko 320x240 QVGA ary mandefa an'i Linux 2.4. Manana rindrankajy mandefa kalandrie izy io, Bluetooth, arika RAM 8Mo ary arika Flash 16 Mo. Nihevitra ny hivarotra io famantaranandro io 399$ ho amin'ny mpianatra ary ny mpanao bizinesy i Citizen. Kanefa dia najanony tamin'ny 2001-2002 ilay tetikasa.
Taona 2005-2010
[hanova | hanova ny fango]Taona 2010-2014
[hanova | hanova ny fango]Lisitry ny famantaranandro marani-tsaina amboarina
[hanova | hanova ny fango]Famantaranandro marani-tsaina | Orinasa mpanamboatra |
---|---|
Sony SmartWatch[1] | Sony |
SmartWatch 2 | Sony |
Qualcomm Toq | Qualcomm |
Pebble Watch | Pebble |
Wearing Digital WEDA (Slap Band)[2] | Wearing Digital |
Ruputer | Seiko |
Timex Datalink[3] | Timex Group USA |
Garmin Forerunner | Garmin |
NikeFuel | Nike, Inc. |
WIMM One | Wimm Labs |
Motorola Motoactv | Motorola |
Motorola Moto 360 | Motorola |
MetaWatch Strata | Meta Watch, Ltd |
Samsung Galaxy Gear | Samsung |
Samsung Gear 2, Gear Neo, and Gear Fit | Samsung |
Smartwatch Elegance[4] | Phone House |
Kreyos Meteor[5] | Kreyos |
GEAK Watch[6] | ? |
i'm Watch | i'm S.p.A |
HOT Watch | ? |
Omate TrueSmart | Omate |
Z1 Android Watch-Phone | ? |
Fashion S9110 | ? |
LG GD910 (edición limitada) | LG |
Hyundai MB 910 | Hyundai |
ANDROID SmartWatch[7] | ? |
Samsung Gear Live | Samsung |
Samsung Gear S | Samsung |
Fampitahana ny famantaranandro marani-tsaina
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Endrika:Cita web
- ↑ Endrika:Cita web
- ↑ Endrika:Cita web
- ↑ "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2015-03-14. Retrieved 2015-03-09.
- ↑ Endrika:Cita web
- ↑ Endrika:Cita web
- ↑ Endrika:Cita web