Evanjelin' i Pseodô-Matio

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Evanjelin'i Pseodo-Matio)

Ny Evanjelin' i Pseodô-Matio dia soratra apôkrifa kristiana voasoratra teo anelanelan' ny taona 600 sy 625[1]. Io evanjely io dia fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe: Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Matio na Boky ny amin' ny Fahaterahan' i Maria Voatahy sy ny Fahazazan' ny Mpamonjy. Miresaka ny amin' ny fahaterahana sy ny fahazazan' i Maria avy eo ny fahaterahan' i Jesoa sy ny fandosirana tany Ejipta ilay boky. Iray amin' ny asa soratra atao hoe evanjelin' ny fahazazana io boky io.

Isan' ireo fitantarana maro momba ny fahazazan' i Jesoa izay nisy hatramin' ny taonjato faha-2 io boky io ary naka hevitra tao amin' ny Prôtevanjelin' i Jakôba. Avy amin' ny fanitsiana matetika azy ny Bokin' ny Fahaterahan' i Maria sy ny Fanangonana J.

Votoatin' ny boky[hanova | hanova ny fango]

Ahitana lovantsofina maro ny Evanjelin' i Pseodô-Matio ka isan' izany ilay boriky sy omby tao amin' ny siny ary koa ny fitantarana ny fahagagana niseho tamin' ny fandosirana tany Ejipta, indrindra ny amin' ilay antrendry: "Miondreha ry hazo ary fahano amin' ny voanao ny reniko". (toko faha-20)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo evanjelin' ny fahazazana

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Hans-Josef Klauck, The Apocryphal Gospels: An Introduction, A&C Black, 2003, p. 78