Eskatôlôjia bahay

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny eskatôlôjia bahay dia fanoharana ihany ireo eskatôlôjia hita ao amin' ny fivavahana hafa. Ny andron' ny olombelona dia voamariky ny fifanarakaraham-panambaràna miandalana izay ahitana mpitondra hafatra avy amin' Andriamanitra.

Ny fotoana iavian' ny mpitondra hafatra na iraka tsirairay dia heverina ho ny andro fitsarana ho an' ny mpinon' ny fivavahana teo aloha, izay mety misafidy ny hanaiky ny mpitondra hafatra vaovao sady hiditra ao amin' ny lanitry ny finoana, na handà ny iraka vaovao ka hiditra ao amin' ny helon' ny fandavana.

Ny teny hoe "lanitra" sy "helo" dia manana heviny am-panoharana ilazana ny fandrosoana ara-panahin' ny olona sy fanakekezany na ny fanalavirany an' Andriamanitra. Ny fiavian' i Baha'u'llah mpitondra ny finoana bahay dia manambara ny fahatanterahan' ny fiandrasana eskatôlôjikan' ny finoana silamo sy kristiana ary ireo fivavahana lehibe hafa teo aloha.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]