Ernst Troeltsch

Avy amin'i Wikipedia
I Ernst Troeltsch

I Ernst Troeltsch dia filôzôfa sy teôlôjiana prôtestanta ary sôsiôlôga alemàna, teraka tamin' ny 17 Febroary 1865 tao amin' ny vakin-tanàn' i Haunstetten any Augsburg, ary maty tamin' ny 1 Febroary 1923 tany Berlin. Manakaiky ny fomba fihevitr' i Max Weber ny fiheverany ny sôsiôlôjia sy ny tantaran' ny fivavahana.