Epifaniosy avy any Salamisy

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
I Epifaniosy avy any Salamisy

I Epifaniosy avy any Salamisy na Epifaniosy avy any Salamina na Epifaniosy avy any Kiprosy dia eveka sy teolojiana kristiana tamin'ny taonjato faha-4, teraka tao amin'ny tanànan'i Besandoka, ao akaikin'i Eleoteropolisy any Palestina tamin'ny taona 315, ary maty teny an-dranomasina nandritra ny dia nataony teo anelanelan'i Konstantinopolisy sy Kiprosy (na Sipra na Kipra) tamin'ny volana Mey 403. Sady olo-masina no rain'ny fiangonana izy amin'ny Fiangonana ortodoksa sy ny Fiangonana katolika. Tao amin'ny tanànan'i Samamisy any Kiprosy, izay noravan'ny horohoron-tany tamin'ny taona 340 nefa naorina indray ka nomena ny anarana hoe Konstantia (avy amin'ny anaran'ny emperora Kontsantino II), no naha eveka azy. Io tanàna io no renivohitry ny fiangonana tao Kiprosy.